Joshua 22:33 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nankasitrahan’ny Zanak’Israely izany ka nisaotra an’Andriamanitra ny Zanak’Israely ary tsy nihevitra hiakatra hiady aminy intsony handrava ny tany izay nonenan’ny taranak’i Robena sy i Gada.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Sitraky ny zanak’i Israely izany zavatra izany, ka nisaotra an’Andriamanitra izy, ary tsy nihevitra intsony izay hiakatra amin’ireny mba handrava ny tany nonenan’ny tarana-dRobena sy ny taranak’i Gada.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nahafa-po ny Israelita izany sady nisaorany an’Andriamanitra. Tsy noheveriny intsony ny handeha hiady amin’ny Reobenita sy Gadîta ka handrava ny tany izay nonenany.
Malagasy Bible 1865
Ary sitraky ny zanak'Isiraely izany, dia nisaotra an'Andriamanitra ny Zanak'Isiraely ka tsy nihevitra hiakatra hiady aminy intsony handrava ny tany izay nonenan'ny taranak'i Robena sy Gada.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nankasitrahan’ny Zanak’Israely izany ka nisaotra an’Andriamanitra ny Zanak’Israely ary tsy nihevitra hiakatra hiady aminy intsony handrava ny tany izay nonenan’ny taranak’i Robena sy i Gada.
malagasy
Ary sitraky ny zanak'Isiraely izany, dia nisaotra an'Andriamanitra ny Zanak'Isiraely ka tsy nihevitra hiakatra hiady aminy intsony handrava ny tany izay nonenan'ny taranak'i Robena sy Gada.Dia nasian'ny taranak'i Robena sy Gada anarana hoe Edy ilay alitara fa vavolombelona ho amintsika roa tonta io fa Jehovah no Andriamanitra.