Joshua 22:34 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nasian’ny taranak’i Robena sy i Gada anarana ilay alitara, fa vavolombelona ho amintsika roa tonta io fa NY TOMPO no Andriamanitra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nomen’ny tarana-dRobena sy ny taranak’i Gada anarana hoe: «Ed» ilay ôtely, satria io, hoy izy, no vavolombelona amintsika roa tonta fa i Iaveh no Andriamanitra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary hoy kosa ny Reobenita sy Gadîta hoe: –Ity alitara ity no vavolombelona aminay sy aminareo fa ny TOMPO no Andriamanitra. Dia nataony hoe «Vavolombelona» no anaran’izany alitara izany.
Malagasy Bible 1865
Dia nasian'ny taranak'i Robena sy Gada anarana hoe Edy ilay alitara fa vavolombelona ho amintsika roa tonta io fa Jehovah no Andriamanitra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nasian’ny taranak’i Robena sy i Gada anarana ilay alitara, fa vavolombelona ho amintsika roa tonta io fa NY TOMPO no Andriamanitra.
malagasy
Dia nasian'ny taranak'i Robena sy Gada anarana hoe Edy ilay alitara fa vavolombelona ho amintsika roa tonta io fa Jehovah no Andriamanitra.