Joshua 22:5 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Kanefa mitandrema tsara mba hanaraka ny didy sy ny lalàna izay nampanaovin’i Mosesy, mpanompon’NY TOMPO, anareo, hitiavanareo NY TOMPO Andriamanitrareo sy handehananareo amin’ny lalany rehetra sy hitandremanareo ny didiny sy hifikiranareo Aminy ary hanompoanareo Azy amin’ny fonareo manontolo sy ny fanahinareo manontolo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Kanefa tandremo tsara ny hanaraka ny fitsipika aman-dalàna nandidian’i Môizy mpanompon’i Iaveh anareo, ka tiava an’i Iaveh Andriamanitrareo, mandehana amin’ny lalany rehetra, mitandrema ny didiny, miraiketa fo aminy, ary manompoa Azy amin’ny fonareo rehetra sy amin’ny fanahinareo rehetra.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izao anefa: Imasoy tsara ny hanatanteraka ny didy aman-dalàna rehetra izay nampitain’i Mosesy mpanompon’ny TOMPO taminareo, ka hitiavanareo ny TOMPO Andriamanitrareo, hizoranareo amin’ny lalana rehetra nosoritany, hitandremanareo ny didiny, hifikiranareo aminy ary hanompoanareo Azy amin’ny fonareo manontolo sy amin’ny fanahinareo manontolo.
Malagasy Bible 1865
Kanefa mitandrema tsara mba hanaraka ny didy sy ny lalàna izay nandidian'i Mosesy, mpanompon'i Jehovah, anareo, hitiavanareo an'i Jehovah Andriamanitrareo sy handehananareo amin'ny lalany rehetra sy hitandremanareo ny didiny sy hifikiranareo aminy ary hanompoanareo Azy amin'ny fonareo rehetra sy ny fanahinareo rehetra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Kanefa mitandrema tsara mba hanaraka ny didy sy ny lalàna izay nampanaovin’i Mosesy, mpanompon’NY TOMPO, anareo, hitiavanareo NY TOMPO Andriamanitrareo sy handehananareo amin’ny lalany rehetra sy hitandremanareo ny didiny sy hifikiranareo Aminy ary hanompoanareo Azy amin’ny fonareo manontolo sy ny fanahinareo manontolo.
malagasy