Joshua 22:6 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nitsodrano azy i Josoa ka nampody azy; dia lasa nankany amin’ny tranolainy avy izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nitso-drano azy ireo i Jôsoe ary nandefa azy, ka lasa nankany amin’ny lainy izy ireo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary rehefa nitsodrano azy telo tonta i Josoa, dia nandefa azy hody any aminy sady nanafatra azy hoe: –Modia any aminareo miaraka amin’ny harena be, dia ny andiam-biby fiompy maro, ny volafotsy sy volamena, ny varahina sy ny vy, ary ny fitafiana miavosa; ka zarao amin’ireo mpiray foko aminareo ny zavatra nobaboina tamin’ny fahavalonareo. Dia lasa nody tany aminy avy izy telo tonta. Ny antsasapokon’i Manase dia nomen’i Mosesy zaratany tao Basàna, teny ampita atsinanan’i Jôrdàna; ny antsasany kosa nomen’i Josoa zaratany teny ampita andrefan’i Jôrdàna, niaraka tamin’ireo foko hafa.
Malagasy Bible 1865
Dia nitso-drano azy Josoa ka nampody azy; dia lasa nankany amin'ny lainy avy izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nitsodrano azy i Josoa ka nampody azy; dia lasa nankany amin’ny tranolainy avy izy.
malagasy
Dia nitso-drano azy Josoa ka nampody azy; dia lasa nankany amin'ny lainy avy izy.