Joshua 22:8 — Compare Translations
5 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
sady nilazany hoe: Modia ho any amin’ny tranolainareo avy ianareo, mitondra harena be, omby aman’ondry be mihitsy, volafotsy, volamena, varahina, vy ary fitafiana be dia be; ary iombony amin’ny rahalahinareo ny babo azo tamin’ny fahavalonareo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ka nanao taminy hoe: «Hody eny an-dainareo ianareo, mitondrà harena be, biby fiompy sesehena, volafotsy, volamena, varahina, sy vy ary fitafiana be dia be, koa zarao amin’ny rahalahinareo ny babo azo avy tamin’ny fahavalonareo».
Malagasy Bible 1865
ka nilazany hoe: Modia ho any amin'ny lainareo avy ianareo, mitondra harena be sy omby aman'ondry be indrindra sy volafotsy sy volamena sy varahina sy vy ary fitafiana be dia be; ary iombony amin'ny rahalahinareo ny babo azo tamin'ny fahavalonareo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
sady nilazany hoe: Modia ho any amin’ny tranolainareo avy ianareo, mitondra harena be, omby aman’ondry be mihitsy, volafotsy, volamena, varahina, vy ary fitafiana be dia be; ary iombony amin’ny rahalahinareo ny babo azo tamin’ny fahavalonareo.
malagasy