Joshua 22:9 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nody ny taranak’i Robena sy i Gada ary ny antsasaky ny fokon’i Manase ka nandao ny Zanak’Israely tao Silo izay ao amin’ny tany Kanana ka nankany amin’ny tany Gileada ho any amin’ny zarataniny izay azony araka ny tenin’NY TOMPO nasainy nolazain’i Mosesy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nandao ny zanak’i Israely tao Silô amin’ny tany Kanaana ny fokon-dRobena sy ny fokon’i Gada, ary ny antsasaky ny fokon’i Manase dia nody nankany amin’ny tany Galaada izay efa noraisiny ho zara taniny araka ny nandidian’i Iaveh tamin’ny alalan’i Môizy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Lasa nody tany aminy tokoa ny vatan-dehilahy taranak’i Reobena sy taranak’i Gada ary anisan’ny antsasa-pokon’i Manase. Tao Silao amin’ny tany Kanahàna ry zareo no nandao ny Israelita hafa mba hankany amin’ny tany Gilehada izay zaratany azony araka ny baiko nampitain’ny Tompo tamin’ny alalan’i Mosesy.
Malagasy Bible 1865
Dia nody ny taranak'i Robena sy Gada ary ny antsasaky ny firenen'i Manase ka nandao ny Zanak'Isiraely tao Silo, izay ao amin'ny tany Kanana, hankany amin'ny tany Gileada ho any amin'ny zara-taniny, izay azony araka ny tenin'i Jehovah nasainy nolazain'i Mosesy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nody ny taranak’i Robena sy i Gada ary ny antsasaky ny fokon’i Manase ka nandao ny Zanak’Israely tao Silo izay ao amin’ny tany Kanana ka nankany amin’ny tany Gileada ho any amin’ny zarataniny izay azony araka ny tenin’NY TOMPO nasainy nolazain’i Mosesy.
malagasy