Joshua 23:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa afaka fotoana ela, taorianan’ny nanomezan’NY TOMPO fitsaharana ho an’ny Israely ho afaka amin’ny fahavalony rehetra manodidina, ary efa zokiolona sady nandroso fahanterana i Josoa,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Efa ela no nanomezan’i Iaveh fitsaharana an’i Israely, sy nanafahany azy tamin’ny fahavalony rehetra amin’ny manodidina, ka efa zokiolona sy nandroso fahanterana i Jôsoe.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fotoana ela taorian’ny nanomezan’ny TOMPO fandriampahalemana ho an’i Israely ka nanafahany azy tamin’ireo fahavalo rehetra nanodidina azy, dia efa antitra be i Josoa.
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa ela, taorian'ny nanomezan'i Jehovah fitsaharana ho an'ny Isiraely ho afaka amin'ny fahavalony rehetra manodidina, ary Josoa dia efa zoki-olona sady nandroso fahanterana,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa afaka fotoana ela, taorianan’ny nanomezan’NY TOMPO fitsaharana ho an’ny Israely ho afaka amin’ny fahavalony rehetra manodidina, ary efa zokiolona sady nandroso fahanterana i Josoa,
malagasy
[Fananarana nataon'i Josoa] Ary rehefa ela, taorian'ny nanomezan'i Jehovah fitsaharana ho an'ny Isiraely ho afaka amin'ny fahavalony rehetra manodidina, ary Josoa dia efa zoki-olona sady nandroso fahanterana,