Joshua 23:13 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
dia ho fantatrareo tokoa fa tsy handroaka ireo firenena ireo eo anoloanareo intsony NY TOMPO Andriamanitrareo; fa ho fandrika sy tonta aminareo ireo, ary ho fanindronana amin’ny tehezanareo sy ho tsilo eo amin’ny masonareo mandra-pahalany ritra anareo tsy ho eo amin’ity tany soa nomen’NY TOMPO Andriamanitrareo anareo ity.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
dia fantaro tsara fa tsy hotohizan’i Iaveh Andriamanitrareo ny fandroahana ireo firenena ireo eo anoloanareo; ka ho harato amam-pandrika ho anareo ireo, ary ho rotsakazo amin’ny lanivoanareo, mandra-pahalàny ritra anareo tsy ho eo amin’ity tany soa, nomen’i Iaveh Andriamanitrareo anareo ity.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
dia fantaro tsara fa tsy hanohy handroaka azy eo anoloanareo intsony ny TOMPO Andriamanitrareo. Hanjary fandrika sy tonta ho anareo ireny firenena ireny, ary ho karavasy mamely eo an-damosinareo sy ho tsilo eo amin’ny masonareo ambara-pahalany ritra anareo tsy ho eto amin’ity tany soa nomen’ny TOMPO Andriamanitrareo anareo ity.
Malagasy Bible 1865
dia ho fantatrareo tokoa fa tsy handroaka ireo firenena ireo eo anoloanareo intsony Jehovah Andriamanitrareo; fa ho fandrika sy tonta aminareo ireo, ary ho fanindronana amin'ny tehezanareo, sy ho tsilo eo amin'ny masonareo, mandra-pahalany ritranareo tsy ho eo amin'ity tany soa nomen'i Jehovah Andriamanitrareo anareo ity.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
dia ho fantatrareo tokoa fa tsy handroaka ireo firenena ireo eo anoloanareo intsony NY TOMPO Andriamanitrareo; fa ho fandrika sy tonta aminareo ireo, ary ho fanindronana amin’ny tehezanareo sy ho tsilo eo amin’ny masonareo mandra-pahalany ritra anareo tsy ho eo amin’ity tany soa nomen’NY TOMPO Andriamanitrareo anareo ity.
malagasy