Joshua 23:15 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tahaka ny efa nanatanterahana taminareo ny zava-tsoa rehetra izay nolazain’NY TOMPO Andriamanitrareo taminareo, no hanatanterahan’NY TOMPO aminareo kosa ny loza rehetra mandra-paharingany anareo tsy ho eo amin’ity tany soa nomen’NY TOMPO Andriamanitrareo anareo ity.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Koa toy ny nahatanterahan’ny teny soa rehetra nolazain’i Iaveh Andriamanitrareo taminareo no hanatanterahan’i Iaveh eo aminareo koa ny teny fandrahonana rehetra mandra-paharinganareo, tsy ho amin’ity tany soa nomen’i Iaveh Andriamanitrareo anareo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Saingy tahaka izay nahatanterahan’ny zava-tsoa rehetra nampanantenain’ny TOMPO Andriamanitrareo taminareo no hampiavy aminareo ny loza rehetra, mandra-paharingany anareo tsy ho eto amin’ity tany soa nomeny anareo ity,
Malagasy Bible 1865
Ary tahaka ny efa nanatanterahana taminareo ny zava-tsoa rehetra, izay nolazain'i Jehovah Andriamanitrareo taminareo, no hanatanterahan'i Jehovah aminareo kosa ny loza rehetra mandra-paharingany anareo tsy ho eo amin'ity tany soa nomen'i Jehovah Andriamanitrareo anareo ity.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tahaka ny efa nanatanterahana taminareo ny zava-tsoa rehetra izay nolazain’NY TOMPO Andriamanitrareo taminareo, no hanatanterahan’NY TOMPO aminareo kosa ny loza rehetra mandra-paharingany anareo tsy ho eo amin’ity tany soa nomen’NY TOMPO Andriamanitrareo anareo ity.
malagasy
Ary tahaka ny efa nanatanterahana taminareo ny zava-tsoa rehetra, izay nolazain'i Jehovah Andriamanitrareo taminareo, no hanatanterahan'i Jehovah aminareo kosa ny loza rehetra mandra-paharingany anareo tsy ho eo amin'ity tany soa nomen'i Jehovah Andriamanitrareo anareo ity.Amin'izay hivadihanareo ny faneken'i Jehovah Andriamanitrareo, izay nandidiany anareo, sy handehananareo hanompo ireo andriamani-kafa ary hiankohofanareo eo anatrehany, dia hirehitra aminareo ny fahatezeran'i Jehovah, ary ho lany ringana faingana ianareo tsy ho eo amin'ny tany soa nomeny anareo.