Joshua 23:4 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Indreo, efa voazarako ho lovan’ny fokonareo tamin’ny antsapaka ireo firenena sisa ireo, hatrany Jordana, mbamin’ny firenena rehetra izay nofongorako, ka hatramin’ny Ranomasina Lehibe any andrefana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Indro efa nozaraiko taminareo mba ho lova ho an’ny fokonareo, tamin’ny filokana, ireo firenena izay mbola eo ihany sy ireo rehetra efa nofongorako hatrany Jordany ka hatrany amin’ny ranomasin-dehibe any andrefana any.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Indreo efa voazarako antsapaka taminareo mba ho lovan’ny fokonareo na ny firenena izay mbola tavela na ny firenena rehetra izay efa nofongorako, manomboka eo Jôrdàna any atsinanana ka miafara eo amin’ny Ranomasina Mediteranea any andrefana.
Malagasy Bible 1865
Indreo, efa voazarako ho lovan'ny firenenareo tamin'ny filokana ireo firenena sisa ireo, hatrany Jordana, mbamin'ny firenena rehetra izay nofongorako, ka hatramin'ny Ranomasina Lehibe andrefana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Indreo, efa voazarako ho lovan’ny fokonareo tamin’ny antsapaka ireo firenena sisa ireo, hatrany Jordana, mbamin’ny firenena rehetra izay nofongorako, ka hatramin’ny Ranomasina Lehibe any andrefana.
malagasy
Indreo, efa voazarako ho lovan'ny firenenareo tamin'ny filokana ireo firenena sisa ireo, hatrany Jordana, mbamin'ny firenena rehetra izay nofongorako, ka hatramin'ny Ranomasina Lehibe andrefana.