Joshua 24:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nanangona ny fokon’ny Israely rehetra tany Sekema i Josoa ka niantso ny loholon’ny Israely, ny lehibeny, ny mpitsara azy ary ny mpifehy azy, dia niara-niseho teo anatrehan’Andriamanitra izy ireo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Novorin’i Jôsoe, tao Sikema, ny fokon’i Israely rehetra; nantsoiny avokoa ny loholon’i Israely, ny lehibeny, ny mpitsarany ary ny manamboninahiny; ka niseho teo anatrehan’i Iaveh izy ireo:
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Namory ny fokon’i Israely rehetra tao Sekema i Josoa. Nantsoiny avokoa ireo loholony sy lehilahy ary mpitsarany sy manamboninahiny, ka tonga niseho teo anatrehan’Andriamanitra.
Malagasy Bible 1865
Ary Josoa nanangona ny firenen'ny Isiraely rehetra tany Sekema ka niantso ny loholon'ny Isiraely sy ny lehibeny sy ny mpitsara azy ary ny mpifehy azy, ka dia niara-niseho teo anatrehan'Andriamanitra izy ireo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nanangona ny fokon’ny Israely rehetra tany Sekema i Josoa ka niantso ny loholon’ny Israely, ny lehibeny, ny mpitsara azy ary ny mpifehy azy, dia niara-niseho teo anatrehan’Andriamanitra izy ireo.
malagasy
[Ny teny farany nataon'i Josoa tamin'ny olona, sy ny nanaovan'ny olona fanekena mafy fa tsy hiala amin'Andriamanitra] Ary Josoa nanangona ny firenen'ny Isiraely rehetra tany Sekema ka niantso ny loholon'ny Isiraely sy ny lehibeny sy ny mpitsara azy ary ny mpifehy azy, ka dia niara-niseho teo anatrehan'Andriamanitra izy ireo.