Joshua 24:17 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa NY TOMPO Andriamanitsika, Izy no nitondra antsika sy ny razantsika nivoaka avy tany amin’ny tany Ejipta, tany amin’ny trano nanandevozana, ary Izy no nanao ireny famantarana lehibe ireny teo imasontsika ka niaro antsika teny amin’ny lalana rehetra nalehantsika sy teny amin’ny firenena rehetra izay notetezintsika.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa i Iaveh Andriamanitsika no nampiakatra antsika mbamin’ny razantsika avy tany amin’ny tany Ejipta, amin’ny trano fanandevozana azy nanao ireo fahagagana lehibe teo imasontsika, ary niaro antsika tamin’ny lalana nalehantsika sy tamin’ny firenena rehetra nandalovantsika.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Satria ny TOMPO Andriamanitsika ihany no nampakatra ny razantsika niala tamin’ny toerana fanandevozana tany Ejipta; Izy no nanao ireny famantarana lehibe fantatsika tsara ireny; Izy no niaro ny razantsika teny amin’ny lalana rehetra nalehany sy teny amin’ny firenena rehetra noteteziny.
Malagasy Bible 1865
Fa Jehovah Andriamanitsika, Izy no nitondra antsika sy ny razantsika nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta, tany amin'ny trano nahandevozana, ary Izy no nanao ireny famantarana lehibe ireny teo imasontsika ka niaro antsika teny amin'ny lalana rehetra nalehantsika sy teny amin'ny firenena rehetra izay notetezintsika.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa NY TOMPO Andriamanitsika, Izy no nitondra antsika sy ny razantsika nivoaka avy tany amin’ny tany Ejipta, tany amin’ny trano nanandevozana, ary Izy no nanao ireny famantarana lehibe ireny teo imasontsika ka niaro antsika teny amin’ny lalana rehetra nalehantsika sy teny amin’ny firenena rehetra izay notetezintsika.
malagasy