Joshua 24:26 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nosoratan’i Josoa tao amin’ny bokin’ny lalànan’Andriamanitra ireo teny ireo, ary naka vato lehibe izy ka nanangana azy teo ambanin’ny hazo terebinta izay teo anilan’ny toerana masin’NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nosoratan’i Jôsoe tamin’ny bokin’ny lalàn’Andriamanitra ireo teny ireo. Naka vato lehibe izy, ka natsangany teo ambanin’ny oaka, teo amin’ny fitoerana voatokana ho an’i Iaveh.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nosoratan’i Josoa tao amin’ny bokin’ny lalànan’Andriamanitra ireo teny ireo; ary naka vato lehibe iray izy ka nanangana azy teo am-pototry ny hazo oaka, izay toera-masin’ny TOMPO.
Malagasy Bible 1865
Dia nosoratan'i Josoa tao amin'ny bokin'ny lalàn'Andriamanitra ireo teny ireo. ary naka vato lehibe izy ka nanangana azy teo ambanin'ny hazo terebinta, izay teo anilan'ny fitoera-masin'i Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nosoratan’i Josoa tao amin’ny bokin’ny lalànan’Andriamanitra ireo teny ireo, ary naka vato lehibe izy ka nanangana azy teo ambanin’ny hazo terebinta* izay teo anilan’ny toerana masin’NY TOMPO.
malagasy
Dia nosoratan'i Josoa tao amin'ny bokin'ny lalàn'Andriamanitra ireo teny ireo. ary naka vato lehibe izy ka nanangana azy teo ambanin'ny hazo terebinta, izay teo anilan'ny fitoera-masin'i Jehovah.