Joshua 24:27 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hoy i Josoa tamin’ny vahoaka rehetra: Indro, io vato io no ho vavolombelona amintsika fa efa nahare ny teny rehetra nolazain’NY TOMPO tamintsika io, dia ho vavolombelona aminareo io, fandrao handainga amin’Andriamanitrareo ianareo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia hoy i Jôsoe tamin’ny vahoaka rehetra: «Indro ity vato ity no ho vavolombelona amintsika, fa efa nandre ny teny rehetra nolazain’i Iaveh tamintsika io; ho vavolombelona aminareo koa io, mba tsy handavanareo ny Andriamanitrareo.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Avy eo dia hoy i Josoa tamin’ny vahoaka rehetra: –Jereonareo ity vato ity fa izy no ho vavolombelona amintsika satria efa nandre ny teny rehetra nolazain’ny TOMPO tamintsika; ary ho vavolombelona aminareo koa izy mba tsy hivadihanareo amin’Andriamanitrareo!
Malagasy Bible 1865
Dia hoy Josoa tamin'ny vahoaka rehetra; Indro, io vato io ho vavolombelona amintsika; fa efa nahare ny teny rehetra nolazain'i Jehovah tamintsika io, dia ho vavolombelona aminareo io, fandrao handainga amin'Andriamanitrareo ianareo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hoy i Josoa tamin’ny vahoaka rehetra: Indro, io vato io no ho vavolombelona amintsika fa efa nahare ny teny rehetra nolazain’NY TOMPO tamintsika io, dia ho vavolombelona aminareo io, fandrao handainga amin’Andriamanitrareo ianareo.
malagasy