Joshua 24:32 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ny taolan’i Josefa izay efa noentin’ny Zanak’Israely avy tany Ejipta dia naleviny tao Sekema tao amin’ny tany izay novidin’i Jakoba volafotsy zato tamin’ny zanak’i Hamora, rain’i Sekema; dia tonga lovan’ny taranak’i Josefa izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary ny taolan’i Josefa, izay nentin’ny zanak’i Israely avy tany Ejipta, dia nalevina tao Sikema, amin’ilay saha novidin’i Jakôba, nomeny zato kesitasy, tamin’ny taranak’i Hemora, rain’i Sikema, ary tonga fananan’ny taranak’i Josefa ny taolany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny taolambalon’i Jôsefa, izay nampiakarin’ny Israelita avy tany Ejipta, dia naleviny tao Sekema, tao amin’ny sombin-tany izay novidin’i Jakôba volafotsy zato tamin’ny taranak’i Hamôra, ilay mpanorina an’i Sekema; ka nanjary nolovan’ny taranak’i Jôsefa izany.
Malagasy Bible 1865
Ary ny taolan'i Josefa, izay efa nentin'ny Zanak'Isiraely avy tany Egypta, dia naleviny tao Sekema, tao amin'ny tany izay novidin'i Jakoba volafotsy zato tamin'ny zanak'i Hamora, rain'i Sekema; dia tonga lovan'ny taranak'i Josefa izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ny taolan’i Josefa izay efa noentin’ny Zanak’Israely avy tany Ejipta dia naleviny tao Sekema tao amin’ny tany izay novidin’i Jakoba volafotsy zato tamin’ny zanak’i Hamora, rain’i Sekema; dia tonga lovan’ny taranak’i Josefa izany.
malagasy
Ary ny taolan'i Josefa, izay efa nentin'ny Zanak'Isiraely avy tany Egypta, dia naleviny tao Sekema, tao amin'ny tany izay novidin'i Jakoba volafotsy zato tamin'ny zanak'i Hamora, rain'i Sekema; dia tonga lovan'ny taranak'i Josefa izany. [Heb. kesita; izahao Gen. xxxiii. 19]Dia maty koa Eleazara, zanak'i Arona, ka naleviny teo amin'ny havoan'i Finehasa zanany, izay nomena azy tany amin'ny tany havoan'i Efraima.