Joshua 24:6 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nony nitondra ny razanareo nivoaka avy tany Ejipta Aho dia tonga teo amin’ny ranomasina ianareo; ary nanenjika ny razanareo hatreo amin’ny Ranomasina Mena ny Ejiptiana, nitaingina kalesy fitondra miady sy soavaly.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nentiko nivoaka avy tany Ejipta ny razanareo, ka tonga teo amin’ny ranomasina ianareo. Ny Ejiptianina an-kalesy sy ny an-tsoavaly nanenjika ny razanareo, hatreo amin’ny Ranomasina Mena.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary nony navoakako avy tany Ejipta ny razanareo, dia tonga teo amin’ny Ranomasin’ny Volotara; nefa ny Ejiptianina nanenjika azy hatreo an-kalesy sy an-tsoavaly.
Malagasy Bible 1865
Ary nony nitondra ny razanareo nivoaka avy tany Egypta Aho, dia tonga teo amin'ny ranomasina ianareo; ary nanenjika ny razanareo hatreo amin'ny Ranomasina Mena ny Egyptiana, nitaingina kalesy sy soavaly.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nony nitondra ny razanareo nivoaka avy tany Ejipta Aho dia tonga teo amin’ny ranomasina ianareo; ary nanenjika ny razanareo hatreo amin’ny Ranomasina Mena ny Ejiptiana, nitaingina kalesy fitondra miady sy soavaly.
malagasy