Joshua 24:7 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nitaraina tamin’NY TOMPO izy ka nasiany haizina teo anelanelanareo sy ny Ejiptiana sady nakatony taminy ny ranomasina ka nasarony azy ary ny masonareo dia nahita izay nataoko tany Ejipta; ary nitoetra ela tany an-tany efitra ianareo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Velon-taraina tamin’i Iaveh izy ireo, ka nasian’i Iaveh haizina teo anelanelanareo sy ny Ejiptianina, nakatony tamin’izy ireny ny ranomasina ka nanafotra azy, ary masonareo no nahita izay nataoko tany Ejipta; dia nitoetra ela tany an’efitra ianareo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’izay ny razanareo no niantso vonjy tamiko TOMPO; koa nametrahako haizina mikitroka tanelanelan’ireo sy ny Ejiptianina sady nazerako tamin’ireto Ejiptianina ireto ny onjan-dranomasina ka nanafotra azy. Fantatrareo tsara izay efa nataoko hamelezana ny Ejiptianina! Avy teo dia nipetraka ela tany an-taniefitra ny razanareo.
Malagasy Bible 1865
Dia nitaraina tamin'i Jehovah izy, ka nasiany maizina teo anelanelanareo sy ny Egyptiana,sady nakatony taminy ny ranomasina ka naony azy, ary ny masonareo nahita izay nataoko tany Egypta; ary nitoetra ela tany efitra ianareo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nitaraina tamin’NY TOMPO izy ka nasiany haizina teo anelanelanareo sy ny Ejiptiana sady nakatony taminy ny ranomasina ka nasarony azy ary ny masonareo dia nahita izay nataoko tany Ejipta; ary nitoetra ela tany an-tany efitra ianareo.
malagasy