Joshua 24:8 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nentiko ho any amin’ny tanin’ny Amorita izay nonina tany andafin’i Jordana ianareo; dia niady taminareo ireo; ary nanolotra azy teo an-tananareo Aho mba handovanareo ny taniny ary nandringana azy teo anoloanareo Aho.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nentiko ho any amin’ny tanin’ny Amôreana izay monina any an-dafin’i Jordany ianareo, ka niadian’ireny. Natolotro teo an-tananareo izy, nahazo ny taniny ianareo, ary naringako teo anoloanareo izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Rehefa izany vao nentiko ho any amin’ny tanin’ny Amôrita izay monina any ampita atsinanan’i Jôrdàna ianareo; niady taminareo ry zareo, nefa natolotro teo an-tananareo ka lasanareo ny taniny ary naringako teo anoloanareo izy.
Malagasy Bible 1865
Ary nentiko ho any amin'ny tanin'ny Amorita, izay nonina tany an-dafin'i Jordana ianareo; dia niady taminareo ireo; ary nanolotra azy teo an-tananareo Aho, mba handovanareo ny taniny, ary nandringana azy teo anoloanareo Aho.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nentiko ho any amin’ny tanin’ny Amorita izay nonina tany andafin’i Jordana ianareo; dia niady taminareo ireo; ary nanolotra azy teo an-tananareo Aho mba handovanareo ny taniny ary nandringana azy teo anoloanareo Aho.
malagasy