Joshua 3:10 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hoy i Josoa: Izao no hahafantaranareo fa eo aminareo Andriamanitra velona ka horoahiny eo alohanareo tokoa ny Kananita, ny Hetita, ny Hivita, ny Perizita, ny Girgasita, ny Amorita ary ny Jebosita:
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia hoy i Jôsoe: «Izao no hahafantaranareo fa eo afovoanareo tokoa ny Andriamanitra velona, ka tsy maintsy horoahina eo anoloanareo tokoa ny Kananeanina, ny Heteanina, ny Heveanina, ny Ferezeanina, ny Gergeseanina, ny Amôreana, ary ny Jeboseanina:
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ho fantatrareo amin’izao fa Andriamanitra velona no eo afovoanareo, ka horoahiny tanteraka eo anoloanareo ny Kanahanita sy Hetita, ny Hivîta sy Perizîta, ny Girgasita sy Amôrita ary Jebosita.
Malagasy Bible 1865
Dia hoy Josoa: Izao no hahafantaranareo fa eo aminareo Andriamanitra velona, ka horoahiny eo alohanareo tokoa ny Kananita sy ny Hetita sy ny Hivita sy ny Perizita sy ny Girgasita sy ny Amorita ary ny Jebosita:
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hoy i Josoa: Izao no hahafantaranareo fa eo aminareo Andriamanitra velona ka horoahiny eo alohanareo tokoa ny Kananita, ny Hetita, ny Hivita, ny Perizita, ny Girgasita, ny Amorita ary ny Jebosita:
malagasy