Joshua 3:13 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
ary raha vao miroboka ao amin’ny ranon’i Jordana ny faladian’ny mpisorona izay mitondra ny vata misy ny faneken’NY TOMPO, Tompon’ny tany rehetra, dia ho tapaka ny ranon’i Jordana, dia ny rano izay midina avy any ambony, ka hijanona ho toy ny antontan-javatra iray.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary raha vao miroboka ao anatin’ny ranon’i Jordany ny faladian-tongotry ny mpisorona mitondra ny fiaran’i Iaveh, Tompon’ny tany rehetra, dia ho tapaka ny ranon’i Jordany, ny midina avy any ambony, ka hihandrona hoatra ny antontan-javatra.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Raha vao mandroboka tongotra ao anaty rano ireo mpisorona mitondra ny Vatamasin’ny TOMPO, dia ho tapaka ny ranon’i Jôrdàna: hijanona ny rano avy any ambony ka hisavovona toy ny antontan-javatra.
Malagasy Bible 1865
ary raha vao mijanona eo amin'ny rano Jordana ny faladian'ny mpisorona izay mitondra ny fiaran'ny faneken'i Jehovah, Tompon'ny tany rehetra, dia ho tapaka ny rano Jordana, dia ny rano izay midina avy any ambony, ka hijanona ho toy ny antontan-javatra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
ary raha vao miroboka ao amin’ny ranon’i Jordana ny faladian’ny mpisorona izay mitondra ny vata misy ny faneken’NY TOMPO, Tompon’ny tany rehetra, dia ho tapaka ny ranon’i Jordana, dia ny rano izay midina avy any ambony, ka hijanona ho toy ny antontan-javatra iray.
malagasy