Joshua 3:16 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
dia nijanona ny rano izay nidina avy tany ambony ka tonga toy ny antontan-javatra terỳ lavitra erỳ, dia terỳ amin’ny tanàna Adama, izay eo anilan’i Zaretana; eny, tena tapaka ny rano izay nidina ho any amin’ny ranomasin’ny tany ngazana, dia ny Ranomasintsira; ary nita tandrifin’i Jeriko ny olona.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
dia nihandrona ny rano midina avy any ambony, ka niavosa hoatra ny antontan-javatra terỳ lavitra erỳ, akaikin’ny tanànan’i Adoma, izay anilan’i Sartàna, ary tapaka mihitsy ny midina mankany amin’ny Ranomasina Arabaha, dia ny Ranomasin-tSira, ka nita tandrifin’i Jerikô ny vahoaka.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
dia nijanona ny rano avy any ambony ka nisavovona toy ny antontan-javatra terỳ lavitra terỳ, dia terỳ amin’ny tanàna Adama izay takaikin’ny tanàna Tsaratàna; ary ny rano ambany izay nikoriana ho any amin’ny Ranomasina Maty kosa dia ritra tanteraka, hany ka afaka niampita tandrifin’i Jerikao ny vahoaka.
Malagasy Bible 1865
dia nijanona ny rano izay nidina avy tany ambony ka tonga toy ny antontan-javatra terỳ lavitra erỳ, dia terỳ amin'ny tanàna Adama, izay eo anilan'i Zaretana; eny, tapaka tokoa ny rano izay nidina ho any amin'ny ranomasin'ny tani-hay, dia ny Ranomasin-tsira; ary ny olona dia nita tandrifin'i Jeriko.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
dia nijanona ny rano izay nidina avy tany ambony ka tonga toy ny antontan-javatra terỳ lavitra erỳ, dia terỳ amin’ny tanàna Adama, izay eo anilan’i Zaretana; eny, tena tapaka ny rano izay nidina ho any amin’ny ranomasin’ny tany ngazana, dia ny Ranomasintsira; ary nita tandrifin’i Jeriko ny olona.
malagasy
dia nijanona ny rano izay nidina avy tany ambony ka tonga toy ny antontan-javatra terỳ lavitra erỳ, dia terỳ amin'ny tanàna Adama, izay eo anilan'i Zaretana; eny, tapaka tokoa ny rano izay nidina ho any amin'ny ranomasin'ny tani-hay, dia ny Ranomasin-tsira; ary ny olona dia nita tandrifin'i Jeriko. [Heb. Arabà]Ary ny mpisorona izay nitondra ny fiaran'ny faneken'i Jehovah dia nijoro tsara tamin'ny tany maina teo afovoan'i Jordana, ary ny Isiraely rehetra nandeha tamin'ny tany maina mandra-pahatafitan'izy rehetra an'i Jordana.