Joshua 3:17 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ny mpisorona izay nitondra ny vata misy ny faneken’NY TOMPO dia nijoro tsara tamin’ny tany maina teo afovoan’i Jordana ary ny Israely rehetra dia nandeha tamin’ny tany maina mandra-pahatafitan’izy rehetra an’i Jordana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nitsatoka tsy nihetsika tamin’ny tany maina teo afovoan’i Jordany ny mpisorona nitondra ny fiaran’ny faneken’i Iaveh, nandritra ny nitan’i Israely rehetra tamin’ny tany maina, mandra-pahatafitan’ny firenena an’i Jordany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny mpisorona izay nitondra ny Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanan’ny TOMPO dia nijoro tamin’ny tany maina teo afovoan’i Jôrdàna, mandra-pahatafita ny Israelita rehetra izay nandia tany maina ho eny ampita.
Malagasy Bible 1865
Ary ny mpisorona izay nitondra ny fiaran'ny faneken'i Jehovah dia nijoro tsara tamin'ny tany maina teo afovoan'i Jordana, ary ny Isiraely rehetra nandeha tamin'ny tany maina mandra-pahatafitan'izy rehetra an'i Jordana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ny mpisorona izay nitondra ny vata misy ny faneken’NY TOMPO dia nijoro tsara tamin’ny tany maina teo afovoan’i Jordana ary ny Israely rehetra dia nandeha tamin’ny tany maina mandra-pahatafitan’izy rehetra an’i Jordana.
malagasy