Joshua 3:4 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Kanefa asio elanelany tokony ho roa arivo hakiho aminareo sy izy, fa aza manakaiky azy, mba ho fantatrareo ny lalana izay mety halehanareo fa tsy mbola nalehanareo akory izao lalana izao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Asio elanelany sahabo ho arivo hakiho anefa aminareo sy izy, mba hahitanareo ny lalana hombanareo, fa lalana mbola tsy nalehanareo na oviana na oviana izany.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izany no hahafantaranareo ny lalana halehanareo satria tsy mbola nandalovanareo mihitsy io lalana io talohan’izao. Kanefa aza manatona akaikin’ny Vatamasina ianareo fa aoka hisy tokony ho iray kilaometatra ny elanelanareo aminy.
Malagasy Bible 1865
(kanefa asio elanelany, tokony ho roa arivo hakiho, aminareo sy izy, fa aza manakaiky azy), mba ho fantatrareo ny lalana izay mety halehanareo; fa tsy mbola nalehanareo akory izao lalana izao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Kanefa asio elanelany tokony ho roa arivo hakiho* aminareo sy izy, fa aza manakaiky azy, mba ho fantatrareo ny lalana izay mety halehanareo fa tsy mbola nalehanareo akory izao lalana izao.
malagasy
(kanefa asio elanelany, tokony ho roa arivo hakiho, aminareo sy izy, fa aza manakaiky azy), mba ho fantatrareo ny lalana izay mety halehanareo; fa tsy mbola nalehanareo akory izao lalana izao.