Joshua 4:10 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nijanona teo afovoan’i Jordana ny mpisorona izay nitondra ny vata misy ny Fanekena, mandra-pahavitan’ny zavatra rehetra izay nandidian’NY TOMPO an’i Josoa holazaina amin’ny olona, araka izay rehetra nandidian’i Mosesy an’i Josoa; avy eo vao nita haingana ny olona.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nijanona teo afovoan’i Jordany ny mpisorona nitondra ny fiara, mandra-pahatanteraky ny zavatra nasain’i Iaveh nolazain’i Jôsoe tamin’ny vahoaka, araka izay rehetra nandidian’i Môizy an’i Jôsoe; dia nita faingana ny olona.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny mpisorona nitondra ny Vatamasina kosa dia nijoro teo afovoan’i Jôrdàna ambara-pahatanteraky ny teny rehetra izay nodidian’ny TOMPO holazain’i Josoa amin’ny vahoaka, araka izay rehetra efa nandidian’i Mosesy an’i Josoa. Dia nita faingana ny vahoaka;
Malagasy Bible 1865
Fa ny mpisorona izay nitondra ny fiara nijanona teo afovoan'i Jordana mandra-pahavitan'ny zavatra rehetra izay nandidian'i Jehovah an'i Josoa holazaina amin'ny olona, araka izay rehetra nandidian'i Mosesy an'i Josoa; dia nita faingana ny olona.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nijanona teo afovoan’i Jordana ny mpisorona izay nitondra ny vata misy ny Fanekena, mandra-pahavitan’ny zavatra rehetra izay nandidian’NY TOMPO an’i Josoa holazaina amin’ny olona, araka izay rehetra nandidian’i Mosesy an’i Josoa; avy eo vao nita haingana ny olona.
malagasy