Joshua 4:12 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ny taranak’i Robena sy ny taranak’i Gada ary ny antsasaky ny fokon’i Manase dia samy efa voaomana hiady ka nita teo alohan’ny Zanak’Israely koa, araka izay efa nolazain’i Mosesy taminy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary nandroso samy nitam-piadiana teo alohan’ny zanak’i Israely, araka ny tenin’i Môizy taminy, ny tarana-dRobena sy ny taranak’i Gada, ary ny antsasaky ny fokon’i Manase.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ireo lehilahy mirongo fiadiana, avy amin’ny fokon’i Reobena sy fokon’i Gada ary antsasa-pokon’i Manase, dia nita teo alohan’ny Israelita sisa hafa, araka izay efa nolazain’i Mosesy taminy.
Malagasy Bible 1865
Ary ny taranak'i Robena sy ny taranak'i Gada ary ny antsasaky ny firenen'i Manase dia samy efa voaomana hiady ka nita teo alohan'ny Zanak'Isiraely koa, araka izay efa nolazain'i Mosesy taminy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ny taranak’i Robena sy ny taranak’i Gada ary ny antsasaky ny fokon’i Manase dia samy efa voaomana hiady ka nita teo alohan’ny Zanak’Israely koa, araka izay efa nolazain’i Mosesy taminy.
malagasy
Ary ny taranak'i Robena sy ny taranak'i Gada ary ny antsasaky ny firenen'i Manase dia samy efa voaomana hiady ka nita teo alohan'ny Zanak'Isiraely koa, araka izay efa nolazain'i Mosesy taminy.