Joshua 4:14 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tamin’izany andro izany no nanandratan’NY TOMPO an’i Josoa teo imason’ny Israely rehetra; dia natahotra azy ny olona, tahaka ny efa natahorany an’i Mosesy, tamin’ny andro rehetra niainany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nasandratr’i Iaveh teo imason’i Israely rehetra i Jôsoe, tamin’izany andro izany, ka toy ny natahoran’izy ireo an’i Môizy no natahorany azy koa, tamin’ny andro rehetra niainany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’izany andro izany, dia nohamafisin’ny TOMPO teo imason’ny Israelita rehetra ny fahefàn’i Josoa; koa nohajaina tahaka ny nanajana an’i Mosesy izy nandritra ny andro rehetra niainany.
Malagasy Bible 1865
Tamin'izany andro izany no nanandratan'i Jehovah an'i Josoa teo imason'ny Isiraely rehetra; ka dia natahotra azy ny olona, tahaka ny efa natahorany an'i Mosesy, tamin'ny andro rehetra niainany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tamin’izany andro izany no nanandratan’NY TOMPO an’i Josoa teo imason’ny Israely rehetra; dia natahotra azy ny olona, tahaka ny efa natahorany an’i Mosesy, tamin’ny andro rehetra niainany.
malagasy
Tamin'izany andro izany no nanandratan'i Jehovah an'i Josoa teo imason'ny Isiraely rehetra; ka dia natahotra azy ny olona, tahaka ny efa natahorany an'i Mosesy, tamin'ny andro rehetra niainany.