Joshua 4:18 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary rehefa niakatra niala avy tao afovoan’i Jordana ireo mpisorona izay nitondra ny vata misy ny faneken’NY TOMPO ireo ka nanainga ny faladiany ho eo amin’ny tanety dia avy indray ny ranon’i Jordana nankamin’ny fitoerany ka nihoatra ny morony rehetra tahaka ny teo aloha ihany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony niala teo afovoan’i Jordany ny mpisorona nitondra ny fiaran’ny faneken’i Iaveh ka vao nikasika ny tany maina ny faladian-tongony, dia nody amin’ny toerany ny ranon’ny ony, toy ny taloha nihoatra ny morona indray.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary niakatra ireo mpisorona nitondra ny Vatamasina; ka raha vao nigadona teo an-tanety ny tongony, dia niverina tamin’ny laoniny indray ny ranon’i Jôrdàna ary nihoatra ny morony rehetra toy ny teo aloha.
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa niakatra niala teo afovoan'i Jordana ka nanainga ny faladiany ho eo amin'ny tanety ireo mpisorona izay nitondra ny fiaran'ny faneken'i Jehovah ireo, dia avy indray ny rano Jordana nankamin'ny fitoerany ka nihoatra ny morony rehetra tahaka ny teo aloha ihany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary rehefa niakatra niala avy tao afovoan’i Jordana ireo mpisorona izay nitondra ny vata misy ny faneken’NY TOMPO ireo ka nanainga ny faladiany ho eo amin’ny tanety dia avy indray ny ranon’i Jordana nankamin’ny fitoerany ka nihoatra ny morony rehetra tahaka ny teo aloha ihany.
malagasy