Joshua 4:23 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa nataon’NY TOMPO Andriamanitrareo maina teo anoloanareo ny lalana falehan’ny rano Jordana mandra-pitanareo, dia tahaka ny nataon’NY TOMPO Andriamanitrareo tamin’ny Ranomasina Mena izay nataony maina teo anoloantsika mandra-pitantsika
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Satria nataon’i Iaveh Andriamanitrareo maina ny ranon’i Jordany teo anoloanareo mandra-pitanareo, toy ny nataon’i Iaveh Andriamanitrareo tamin’ny Ranomasina Mena, izay nataony maina teo anoloantsika, mandra-pitantsika,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Eny, nataon’ny TOMPO Andriamanitrareo maina ny falehan’ny ranon’i Jôrdàna teo anoloantsika mandra-pitantsika, tahaka izay nataony tamin’ny Ranomasin’ny Volotara teo anoloan’ny razantsika mandra-pitany.»
Malagasy Bible 1865
Fa nataon'i Jehovah Andriamanitrareo maina ny falehan'ny rano Jordana teo anoloanareo mandra-pitanareo, dia tahaka ny nataon'i Jehovah Andriamanitrareo tamin'ny Ranomasina Mena, izay nataony maina teo anoloantsika mandra-pitantsika,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa nataon’NY TOMPO Andriamanitrareo maina teo anoloanareo ny lalana falehan’ny rano Jordana mandra-pitanareo, dia tahaka ny nataon’NY TOMPO Andriamanitrareo tamin’ny Ranomasina Mena izay nataony maina teo anoloantsika mandra-pitantsika
malagasy
Fa nataon'i Jehovah Andriamanitrareo maina ny falehan'ny rano Jordana teo anoloanareo mandra-pitanareo, dia tahaka ny nataon'i Jehovah Andriamanitrareo tamin'ny Ranomasina Mena, izay nataony maina teo anoloantsika mandra-pitantsika,mba ho fantatry ny firenena rehetra ambonin'ny tany fa mahery ny tànan'i Jehovah, ary mba hatahorany an'i Jehovah Andriamanitrareo mandrakizay.