Joshua 4:3 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
ka mandidia azy hoe: Makà vato roa amby folo avy eo afovoan’i Jordana, eo amin’ilay nijoroan’ny tongotry ny mpisorona, dia ento miaraka aminareo ka apetraho eo amin’izay handrianareo anio alina.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ka omeo didy izy ireo: Makà vato roa ambin’ny folo, avy eo amin’ity fitoerana ity, eo afovoan’i Jordany, amin’ilay fitoerana nitsatohan’ny tongotry ny mpisorona, dia ento miaraka aminareo, sy apetraho eo amin’izay fitoerana hitobianareo anio alina.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
ka omeo baiko hoe: «Ndeha ianareo maka vato 12 eo afovoan’i Jôrdàna, eo amin’ny toerana izay nijoroan’ny mpisorona, dia ento miaraka aminareo ny vato ka apetraho eo amin’ny toerana hitobianareo anio alina.»
Malagasy Bible 1865
ka mandidia azy hoe: Makà vato roa ambin'ny folo eo afovoan'i Jordana eo amin'ilay nijoroan'ny tongotry ny mpisorona, dia ento miaraka aminareo, ka avelao eo amin'izay handrianareo anio alina.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
ka mandidia azy hoe: Makà vato roa amby folo avy eo afovoan’i Jordana, eo amin’ilay nijoroan’ny tongotry ny mpisorona, dia ento miaraka aminareo ka apetraho eo amin’izay handrianareo anio alina.
malagasy
ka mandidia azy hoe: Makà vato roa ambin'ny folo eo afovoan'i Jordana eo amin'ilay nijoroan'ny tongotry ny mpisorona, dia ento miaraka aminareo, ka avelao eo amin'izay handrianareo anio alina.