Joshua 4:5 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
ary hoy izy taminy: Mandehana eo alohan’ny vata misy NY TOMPO Andriamanitrareo ho eo afovoan’i Jordana, koa samia maka sy milanja vato iray eny an-tsorony ianareo rehetra, araka ny isan’ny fokon’ny Zanak’Israely,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ka nilazany hoe: «Mandehana eo alohan’ny fiaran’i Iaveh Andriamanitrareo, eo afovoan’i Jordany, ka samia maka vato iray avy, hatao an-tsoroka, araka ny isan’ny fokon’ny zanak’i Israely,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
ka nilazany hoe: –Mandalova eo anoloan’ny Vatamasin’ny TOMPO Andriamanitrareo, dia mandehana eo afovoan’i Jôrdàna ka samia manainga vato iray ho eny an-tsorony, araka ny isan’ireo foko israelita.
Malagasy Bible 1865
ary hoy izy taminy: Mandehana eo alohan'ny fiaran'i Jehovah Andriamanitrareo ho eo afovoan'i Jordana, ka samia manainga vato iray avy ho eny an-tsorony ianareo rehetra, araka ny isan'ny firenen'ny Zanak'Isiraely,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
ary hoy izy taminy: Mandehana eo alohan’ny vata misy NY TOMPO Andriamanitrareo ho eo afovoan’i Jordana, koa samia maka sy milanja vato iray eny an-tsorony ianareo rehetra, araka ny isan’ny fokon’ny Zanak’Israely,
malagasy