Joshua 4:7 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia holazainareo aminy hoe: Tapaka teo anoloan’ny vata misy ny faneken’NY TOMPO ny ranon’i Jordana; eny, tamin’ny nitan’ny vata misy ny Fanekena an’i Jordana dia tapaka ny rano; ary ho fahatsiarovana mandrakizay ho an’ny Zanak’Israely ireo vato ireo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
dia valio hoe: Tapaka teo anoloan’ny fiaran’ny faneken’i Iaveh ny ranon’i Jordany, fa nony nita an’i Jordany ny fiara dia tapaka ny ranon’i Jordany; ka fahatsiarovana mandrakizay ho an’ny zanak’i Israely ireto vato ireto.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
dia hamaly hoe: «Tapaka ny ranon’i Jôrdàna noho ilay Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanan’ny TOMPO. Eny raha nita an’i Jôrdàna ny Vatamasina; dia tapaka ny rano; ary ireo vato ireo dia hahatsiarovana mandrakizay izany zava-mahagaga izany eo amin’ny Israelita.»
Malagasy Bible 1865
dia holazainareo aminy hoe: Tapaka ny rano Jordana teo anoloan'ny fiaran'ny faneken'i Jehovah; fa raha nita an'i Jordana ny fiara, dia tapaka ny rano; ary ireo vato ireo dia ho fahatsiarovana mandrakizay ho an'ny Zanak'Isiraely.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia holazainareo aminy hoe: Tapaka teo anoloan’ny vata misy ny faneken’NY TOMPO ny ranon’i Jordana; eny, tamin’ny nitan’ny vata misy ny Fanekena* an’i Jordana dia tapaka ny rano; ary ho fahatsiarovana mandrakizay ho an’ny Zanak’Israely ireo vato ireo.
malagasy
dia holazainareo aminy hoe: Tapaka ny rano Jordana teo anoloan'ny fiaran'ny faneken'i Jehovah; fa raha nita an'i Jordana ny fiara, dia tapaka ny rano; ary ireo vato ireo dia ho fahatsiarovana mandrakizay ho an'ny Zanak'Isiraely.