Joshua 4:8 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nanatanteraka izay nandidian’i Josoa ny Zanak’Israely ka naka vato roa amby folo teo afovoan’i Jordana, araka izay nolazain’NY TOMPO tamin’i Josoa, araka ny isan’ny fokon’ny Zanak’Israely, ka noentiny nita niaraka taminy ho eo amin’izay nitobiany ireo ka napetrany teo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Notanterahin’ny zanak’i Israely ny didin’i Jôsoe, dia naka vato roa ambin’ny folo teo afovoan’i Jordany, araka ny isan’ny fokon’i Israely, nentiny teo amin’ny fitoerana tsy maintsy handriany amin’ny alina dia napetrany teo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nanao araka izay nandidian’i Josoa azy ny olona voatendry ka naka vato 12 teo afovoan’i Jôrdàna, araka izay nolazain’ny TOMPO tamin’i Josoa sy araka ny isan’ny foko israelita. Ireo vato ireo dia nentiny niaraka taminy ho eo amin’ny toerana izay nitobiany tamin’iny alina iny ka napetrany teo.
Malagasy Bible 1865
Dia nanao izany ny Zanak'Isiraely araka izay nandidian'i Josoa ka naka vato roa ambin'ny folo teo afovoan'i Jordana, araka izay nolazain'i Jehovah tamin'i Josoa, araka ny isan'ny firenen'ny Zanak'Isiraely ka nentiny nita niaraka taminy ho eo amin'izay nitobiany ka napetrany teo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nanatanteraka izay nandidian’i Josoa ny Zanak’Israely ka naka vato roa amby folo teo afovoan’i Jordana, araka izay nolazain’NY TOMPO tamin’i Josoa, araka ny isan’ny fokon’ny Zanak’Israely, ka noentiny nita niaraka taminy ho eo amin’izay nitobiany ireo ka napetrany teo.
malagasy