Joshua 4:9 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Vato roa amby folo no natsangan’i Josoa tao Jordana, teo amin’ilay nijoroan’ny tongotry ny mpisorona izay nitondra ny vata misy ny Fanekena ary mbola ao ihany ireny mandraka androany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nanangana vato roa ambin’ny folo i Jôsoe, teo afovoan’i Jordany, teo amin’ilay toerana nijanonan’ny tongotry ny mpisorona nitondra ny fiaran’ny fanekena; ka nipetraka tao mandrak’androany izany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary i Josoa dia nampanangana vato 12 ihany koa teo afovoan’i Jôrdàna, teo amin’ny toerana izay nijoroan’ny mpisorona nitondra ny Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanana; ary mbola ao ihany ireo vato ireo mandraka androany.
Malagasy Bible 1865
Ary vato roa ambin'ny folo no natsangan'i Josoa teo Jordana, teo amin'ilay nijoroan'ny tongotry ny mpisorona izay nitondra ny fiaran'ny fanekena; ary mbola ao ihany ireny mandraka androany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Vato roa amby folo no natsangan’i Josoa tao Jordana, teo amin’ilay nijoroan’ny tongotry ny mpisorona izay nitondra ny vata misy ny Fanekena ary mbola ao ihany ireny mandraka androany.
malagasy
Ary vato roa ambin'ny folo no natsangan'i Josoa teo Jordana, teo amin'ilay nijoroan'ny tongotry ny mpisorona izay nitondra ny fiaran'ny fanekena; ary mbola ao ihany ireny mandraka androany.