Joshua 5:1 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa nandre ny nanamainan’NY TOMPO ny ranon’i Jordana teo anoloan’ny Zanak’Israely nandritra ny fiampitàny ny mpanjaka rehetra tamin’ny Amorita any andafy andrefan’i Jordana sy ireo mpanjaka rehetra tamin’ny Kananita any amoron’ny ranomasina dia ketraka ny fony ka very hevitra izy noho ny tahony ny Zanak’Israely.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony ren’ny mpanjakan’ny Amôreana rehetra any an-dafin’i Jordany any andrefana sy ny mpanjakan’ny Kananeanina rehetra akaikin’ny ranomasina fa nataon’i Iaveh maina ny ranon’i Jordany teo anoloan’ny zanak’i Israely mandra-pitantsika, dia kivy ny fony ka nanary toky teo anoloan’ny zanak’i Israely izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny mpanjaka rehetra, tamin’ny Amôrita nonina teny andafy andrefan’i Jôrdàna sy tamin’ny Kanahanita nonina tany amoron’ny Ranomasina Mediteranea, dia nahare fa nataon’ny TOMPO maina ny falehan’ny ranon’i Jôrdàna teo anoloan’ny Israelita mandra-pitany; noho izany dia ketraka ny fon’ireo mpanjaka ireo ka tsy nanam-pahasahiana intsony ry zareo hanoherana ny Israelita.
Malagasy Bible 1865
Ary ny mpanjaka rehetra amin'ny Amorita any an-dafy andrefan'i Jordana sy ny mpanjaka rehetra tamin'ny Kananita any amoron'ny ranomasina, rehefa nandre ny nanamainan'i Jehovah ny rano Jordana teo anoloan'ny Zanak'Isiraely mandra-pitany, dia ketraka ny fony ka very hevitra izy noho ny tahony ny Zanak'Isiraely.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa nandre ny nanamainan’NY TOMPO ny ranon’i Jordana teo anoloan’ny Zanak’Israely nandritra ny fiampitàny ny mpanjaka rehetra tamin’ny Amorita any andafy andrefan’i Jordana sy ireo mpanjaka rehetra tamin’ny Kananita any amoron’ny ranomasina dia ketraka ny fony ka very hevitra izy noho ny tahony ny Zanak’Israely.
malagasy
Ary ny mpanjaka rehetra amin'ny Amorita any an-dafy andrefan'i Jordana sy ny mpanjaka rehetra tamin'ny Kananita any amoron'ny ranomasina, rehefa nandre ny nanamainan'i Jehovah ny rano Jordana teo anoloan'ny Zanak'Isiraely mandra-pitany, dia ketraka ny fony ka very hevitra izy noho ny tahony ny Zanak'Isiraely. [Na: (mandra-pitantsika)]