Joshua 5:10 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nitoby tany Gilgala ny Zanak’Israely ka nitandrina ny Paska teo amin’ny tany ngazana any Jeriko, tamin’ny harivan’ny andro fahefatra amby folo tamin’ny volana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nitoby tao Galgalà ny zanak’i Israely, dia nanao ny Paka, tamin’ny andro faha-14n’ny volana, rehefa harivariva ny andro, teo an-tany lemak’i Jerikô.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nitoby tao Gilgala ny Israelita, teo amin’ny tany lemaka akaikin’i Jerikao, ka nankalaza ny Paska fony harivan’ny andro faha-14 tamin’io volana io.
Malagasy Bible 1865
Ary ny Zanak'Isiraely nitoby tany Gilgala ka nitandrina ny Paska tamin'ny harivan'ny andro fahefatra ambin'ny folo tamin'ny volana, teo amin'ny tani-hay any Jeriko.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nitoby tany Gilgala ny Zanak’Israely ka nitandrina ny Paska teo amin’ny tany ngazana any Jeriko, tamin’ny harivan’ny andro fahefatra amby folo tamin’ny volana.
malagasy
Ary ny Zanak'Isiraely nitoby tany Gilgala ka nitandrina ny Paska tamin'ny harivan'ny andro fahefatra ambin'ny folo tamin'ny volana, teo amin'ny tani-hay any Jeriko.[Heb. Arabà]