Joshua 5:12 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nitsahatra ny mana ny ampitson’iny, dia tamin’ny nihinanany ny vokatry ny tany ka tsy nisy mana ho an’ny Zanak’Israely intsony; fa nihinana ny vokatry ny tany Kanana izy tamin’izany taona izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary ny ampitson’ny Paka, rehefa nihinana tamin’ny vokatry ny tany izy, dia nitsahatra ny mana; ary tsy nahazo mana intsony ny zanak’i Israely, ka dia ny vokatry ny tany Kanaana no nohaniny tamin’izany taona izany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny andro nihinanany ny vokatry ny tany dia nitsahatra ny mana ka tsy nisy mana ho an’ny Israelita intsony; satria izany taona izany no nihinanany ny vokatry ny tany Kanahàna.
Malagasy Bible 1865
Ary nitsahatra ny mana tamin'iny andro ampitso iny, dia tamin'ny nihinanany ny vokatry ny tany, ka tsy nisy mana ho an'ny Zanak'Isiraely intsony; fa nihinana ny vokatry ny tany Kanana izy tamin'izany taona izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nitsahatra ny mana ny ampitson’iny, dia tamin’ny nihinanany ny vokatry ny tany ka tsy nisy mana ho an’ny Zanak’Israely intsony; fa nihinana ny vokatry ny tany Kanana izy tamin’izany taona izany.
malagasy