Joshua 5:13 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nony teo akaikin’i Jeriko i Josoa, dia nanopy ny masony ka nijery ary indro, nisy lehilahy nitsangana tandrifiny ka ny sabany voatsoaka dia teny an-tanany. Nanatona Azy i Josoa ka niteny taminy hoe: Namanay va ianao sa naman’ny fahavalonay?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Efa mby akaiky an’i Jerikô i Jôsoe, no nanopy maso nijery, ka indro nisy lehilahy anankiray nitana sabatra voatsoaka nijoro teo anatrehany; dia nanatona azy i Jôsoe, ka nanao taminy hoe: «Momba anay va ianao sa momba ny fahavalo?»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Iny teo akaikin’i Jerikao iny i Josoa, dia nanopy maso nijery ka indro lehilahy iray nitsangana tandrifiny sady nitana sabatra voatsoaka teny an-tanany; dia nanatona azy i Josoa ka nanontany azy hoe: –Namanay ve ianao sa naman’ny fahavalonay?
Malagasy Bible 1865
Ary nony teo akaikin'i Jeriko Josoa, dia nanopy ny masony izy ka nijery, ary, indro, nisy lehilahy nitsangana tandrifiny, ka ny sabany voatsoaka dia teny an-tànany; ary nanatona Azy Josoa ka nanao taminy hoe: Namanay va Hianao, sa naman'ny fahavalonay?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nony teo akaikin’i Jeriko i Josoa, dia nanopy ny masony ka nijery ary indro, nisy lehilahy nitsangana tandrifiny ka ny sabany voatsoaka dia teny an-tanany. Nanatona Azy i Josoa ka niteny taminy hoe: Namanay va ianao sa naman’ny fahavalonay?
malagasy
[Ny nisehoan'ny Komandin'ny miaramilan'i Jehovah tamin'i Josoa, sy ny nahafahan'ny Isiraely an'i Jeriko] Ary nony teo akaikin'i Jeriko Josoa, dia nanopy ny masony izy ka nijery, ary, indro, nisy lehilahy nitsangana tandrifiny, ka ny sabany voatsoaka dia teny an-tànany; ary nanatona Azy Josoa ka nanao taminy hoe: Namanay va Hianao, sa naman'ny fahavalonay?