Joshua 5:14 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hoy Izy: Tsia, fa Izaho dia mpitarika ny miaramilan’NY TOMPO ka tonga atỳ ankehitriny. Dia niankohoka tamin’ny tany i Josoa ka niteny taminy hoe: Inona no holazainao amin’ny mpanomponao, Tompokolahy?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
«Tsia», hoy ny navaliny, «fa filohan’ny tafik’i Iaveh no tonga eto ankehitriny aho.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia novaliany hoe: –Tsia, fa lehiben’ny tafiky ny TOMPO aho ka tonga atỳ ankehitriny. Dia niankohoka tamin’ny tany i Josoa ka niteny taminy hoe: –Mpanomponao aho, tompoko; ka inona no baikonao amiko?
Malagasy Bible 1865
Dia hoy Izy: Tsia; fa Izaho dia Komandin'ny miaramilan'i Jehovah ka tonga atỳ ankehitriny. Dia niankohoka tamin'ny tany Josoa ka nanao taminy hoe: Inona no holazainao amin'ny mpanomponao, Tompokolahy?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hoy Izy: Tsia, fa Izaho dia mpitarika ny miaramilan’NY TOMPO ka tonga atỳ ankehitriny. Dia niankohoka tamin’ny tany i Josoa ka niteny taminy hoe: Inona no holazainao amin’ny mpanomponao, Tompokolahy?
malagasy
Dia hoy Izy: Tsia; fa Izaho dia Komandin'ny miaramilan'i Jehovah ka tonga atỳ ankehitriny. Dia niankohoka tamin'ny tany Josoa ka nanao taminy hoe: Inona no holazainao amin'ny mpanomponao, Tompokolahy?Dia hoy Ilay Komandin'ny miaramilan'i Jehovah tamin'i Josoa: Esory amin'ny tongotrao ny kapanao; fa masina io tany ijanonanao io. Dia nataon'i Josoa izany.