Joshua 5:4 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izao no anton’ny namoran’i Josoa azy: Ny lehilahy rehetra izay nivoaka avy tany Ejipta, izany hoe ny mpanafika rehetra, dia samy maty tany an-tany efitra teny an-dalana, tamin’izy nivoaka avy tany Ejipta.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izao no antony namoran’i Jôsoe azy: Ny vahoaka rehetra nivoaka avy tany Ejipta, ny lehilahy, ny mpiantafika rehetra dia efa maty tany an’efitra avokoa, teny an-dalana, taorian’ny nivoahany avy tany Ejipta.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fony niala tany Ejipta ny vahoaka Israelita, ny lehilahy rehetra mahatam-piadiana dia samy efa voafora avokoa; nefa maty teny an-dalana tany an-taniefitra avokoa ireo. Fa ny zazalahy teraka teny an-dalana tany an-taniefitra kosa dia tsy mbola nisy voafora: izany no anton’ny namoran’i Josoa azy.
Malagasy Bible 1865
Ary izao no anton'ny namoran'i Josoa azy: Ny lehilahy rehetra izay nivoaka avy tany Egypta, dia ny mpanafika rehetra, samy maty tany an-fitra teny an-dalana, tamin'izy efa nivoaka avy tany Egypta.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Ary izao no anton'ny namoran'i Josoa azy: Ny lehilahy rehetra izay nivoaka avy tany Egypta, dia ny mpanafika rehetra, samy maty tany an-fitra teny an-dalana, tamin'izy efa nivoaka avy tany Egypta.