Joshua 5:6 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa efapolo taona no nandehanan’ny Zanak’Israely tany an-tany efitra, mandra-pahalany ritra ny olona rehetra, dia ny mpanafika izay nivoaka avy tany Ejipta, satria tsy nihaino ny feon’NY TOMPO izy ireny; dia ireo no nianianan’NY TOMPO fa tsy havelany hahita ny tany izay nianianan’NY TOMPO tamin’ny razana homeny antsika, dia tany tondra-dronono sy tantely.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Satria efapolo taona no nandehanan’ny zanak’i Israely tany an’efitra, mandra-pahalàny ritra ny firenena rehetra, dia ny mpiantafika rehetra nivoaka avy tany Ejipta, fa tsy nihaino ny feon’i Iaveh, ka efa nianianan’i Iaveh taminy fa izy ireo tsy havelany hahita ny tany izay nianianany tamin’ny razanay homena antsika, tany tondra-dronono sy tantely.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Efapolo taona no nandehanan’ny Israelita tany an-taniefitra. Lany ritra tamin’izany ny lehilahy afa-miantafika rehetra izay indray niala tany Ejipta, satria tsy nanaiky ny TOMPO ry zareo; ary efa nianianan’ny TOMPO ireo fa tsy hisy hahita ny tany izay nampanantenainy tamin’ny razany fa homena antsika, dia tany tondra-dronono sy tantely.
Malagasy Bible 1865
Fa efa-polo taona no nandehanan'ny Zanak'Isiraely tany an-efitra, mandra-pahalany ritran'ny olona rehetra, dia ny mpanafika izay nivoaka avy tany Egypta, satria tsy nihaino ny feon'i Jehovah izy; dia ireo no nianianan'i Jehovah fa tsy havelany hahita ny tany izay nianianan'i Jehovah tamin'ny razana homeny antsika, dia tany tondra-dronono sy tantely.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa efapolo taona no nandehanan’ny Zanak’Israely tany an-tany efitra, mandra-pahalany ritra ny olona rehetra, dia ny mpanafika izay nivoaka avy tany Ejipta, satria tsy nihaino ny feon’NY TOMPO izy ireny; dia ireo no nianianan’NY TOMPO fa tsy havelany hahita ny tany izay nianianan’NY TOMPO tamin’ny razana homeny antsika, dia tany tondra-dronono sy tantely.
malagasy