Joshua 5:7 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ny zanany no natsangany handimby azy ka ireo no noforan’i Josoa satria tsy mbola voafora ireo, fa tsy noforana teny an-dalana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary ny zanany no natsangany handimby azy, ka ireo no noforàn’i Jôsoe, satria mbola tsy voafora avokoa, noho izy tsy noforàna teny an-dalana.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny zanakalahin’ireo no najoron’ny TOMPO handimby azy ka noforan’i Josoa, noho izy tsy mbola voafora mihitsy satria tsy noforana teny an-dalana.
Malagasy Bible 1865
Ary ny zanany no natsangany handimby azy, ka ireo no noforan'i Josoa; fa tsy mbola voafora ireo, satria tsy noforana teny an-dalana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ny zanany no natsangany handimby azy ka ireo no noforan’i Josoa satria tsy mbola voafora ireo, fa tsy noforana teny an-dalana.
malagasy
Ary ny zanany no natsangany handimby azy, ka ireo no noforan'i Josoa; fa tsy mbola voafora ireo, satria tsy noforana teny an-dalana.