Joshua 6:13 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ny mpisorona fito izay nitondra ny anjomara fito mafy faneno teo alohan’ny vata misy ny faneken’NY TOMPO dia nandeha sady nitsoka ny anjomara; ny olona efa voaomana hiady dia nandeha teo alohany; ary ny vodilalana kosa dia nanaraka ny vata misy NY TOMPO; ary notsofina teny am-pandehanana ny anjomara.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Niainga ny mpisorona fito nitondra ny trômpetra fito mafy faneno, teo alohan’ny fiaran’i Iaveh ary nitsoka ny trômpetra. Ny lehilahy àry fiadina nandeha teo alohan’ireo, ary ny vodilalana nanarakaraka ny fiaran’i Iaveh. Teo am-pandehanana dia notsofina ny trômpetra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny mpisorona fito mpitondra trompetra no nandroso sady nitsoka trompetra teo alohan’ny Vatamasina. Ny andian-tafika mpamaky lay nialoha ireo mpisorona ireo ary ny vodilalana kosa nanaraka ny Vatamasina. Teny am-pandehanana dia notsofina hatrany ny trompetra.
Malagasy Bible 1865
Ary ny mpisorona fito izay nitondra ny anjomara fito mafy faneno teo alohan'ny fiaran'i Jehovah dia nandeha mandrakariva ka nitsoka ny anjomara; ary ny olona efa voaomana hiady dia nandeha teo alohany; ary ny vodi-lalana kosa dia nanaraka ny fiaran'i Jehovah; ary notsofina teny am-pandehanana ny anjomara.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ny mpisorona fito izay nitondra ny anjomara fito mafy faneno teo alohan’ny vata misy ny faneken’NY TOMPO dia nandeha sady nitsoka ny anjomara; ny olona efa voaomana hiady dia nandeha teo alohany; ary ny vodilalana kosa dia nanaraka ny vata misy NY TOMPO; ary notsofina teny am-pandehanana ny anjomara.
malagasy