Joshua 6:15 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tamin’ny andro fahafito dia nifoha vao maraina indray izy, raha mbola nazava ratsy ny andro, ka nanodidina ny tanàna impito toy ny nataony teo, nefa tamin’izany andro izany ihany izy no nanodidina ny tanàna impito.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tamin’ny andro fahafito vao mangiran-dratsy ny andro dia nifoha izy ireo, ka nandeha manodidina ny tanàna araka ny fanaony, nataony impito; androtr’io ihany no nandehanany impito manodidina ny tanàna.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa tamin’ny andro fahafito dia nifoha mbola maizimaizina ny Israelita ka nanodidina ny tanàna toy ny fanaony, saingy impito misesy; tamin’izany andro izany ihany anefa ry zareo no nanodidina ny tanàna impito misesy.
Malagasy Bible 1865
Ary tamin'ny andro fahafito dia nifoha maraina koa izy, raha mbola nazava ratsy ny andro ka nanodidina ny tanàna impito toy ny nataony teo, nefa tamin'izany andro izany ihany no nanodidina ny tanàna impito izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tamin’ny andro fahafito dia nifoha vao maraina indray izy, raha mbola nazava ratsy ny andro, ka nanodidina ny tanàna impito toy ny nataony teo, nefa tamin’izany andro izany ihany izy no nanodidina ny tanàna impito.
malagasy