Joshua 6:17 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hatolotra ho an’NY TOMPO ho zavatra voaozona ny tanàna sy izay rehetra ao; fa Rahaba janga ihany no hovelomina, dia izy sy izay rehetra miaraka aminy ao an-trano, satria nanafina ny iraka nalefantsika izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
«Hatao anatema ho an’i Iaveh ny tanàna, dia izy mbamin’izay rehetra eo aminy; fa i Rahaba janga irery no hovelomina, dia izy sy izay rehetra miaraka aminy ao an-trano, noho izy nanafina ny iraka nirahintsika.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary ny tanàna mbamin’izay rehetra ao aminy dia haringana hafoy ho an’ny TOMPO. Fa i Rahaba mpivaro-tena sy izay rehetra miaraka aminy ao an-tranony ihany no avelao ho velona, satria ravehivavy io no nanafina ireo mpitsikilontsika.
Malagasy Bible 1865
Dia hatolotra ho an'i Jehovah ho zavatra voaozona ny tanàna sy izay rehetra ao; fa Rahaba janga ihany no hovelomina, dia izy sy izay rehetra ao aminy ao an-trano, satria nanafina ny iratsika izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hatolotra ho an’NY TOMPO ho zavatra voaozona ny tanàna sy izay rehetra ao; fa Rahaba janga ihany no hovelomina, dia izy sy izay rehetra miaraka aminy ao an-trano, satria nanafina ny iraka nalefantsika izy.
malagasy
Dia hatolotra ho an'i Jehovah ho zavatra voaozona ny tanàna sy izay rehetra ao; fa Rahaba janga ihany no hovelomina, dia izy sy izay rehetra ao aminy ao an-trano, satria nanafina ny iratsika izy. [Heb. herema; izahao Lev. XXII. 28]