Joshua 6:20 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nanakora ny olona ary notsofina ny anjomara; nony ren’ny vahoaka ny feon’ny anjomara dia nanakora mafy izy ka nirodana tamin’izay ny manda, ary niakatra tao an-tanàna ny olona sady samy nizotra tamin’izay hitsiny avy ka azo ny tanàna.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nanakora ny vahoaka, ary nitsoka trômpetra ny mpisorona. Nony nandre ny feon’ny trômpetra ny vahoaka dia nanakora mafy dia mafy, ary nirodana ny manda; koa samy niakatra ny tanàna tamin’ny hitsiny avy ny vahoaka.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nitsoka trompetra ny mpisorona. Ka raha vao nandre ny feon-trompetra ny vahoaka, dia nanezaka mafy nanao akoran’ady; koa nirodana tamin’izay ny manda. Dia niakatra hamely tao an-tanàna samy araka ny tandrifiny avy ny Israelita ka naka ny tanàna.
Malagasy Bible 1865
Dia nanakora ny olona, ary notsofina ny anjomara; ary nony ren'ny vahoaka ny feon'ny anjomara, dia nanakora mafy izy, ka nirodana tamin'izay ny manda, ary niakatra tao an-tanàna samy nizotra tamin'izay hitsiny avy ny olona, ka afaka ny tanàna.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nanakora ny olona ary notsofina ny anjomara; nony ren’ny vahoaka ny feon’ny anjomara dia nanakora mafy izy ka nirodana tamin’izay ny manda, ary niakatra tao an-tanàna ny olona sady samy nizotra tamin’izay hitsiny avy ka azo ny tanàna.
malagasy