Joshua 6:21 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nataony toy ny zavatra voaozona tamin’ny lelan-tsabatra izay rehetra tao an-tanàna, na lehilahy na vehivavy na tanora na antitra na omby na ondry aman’osy na boriky.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony azo ny tanàna dia natolotra ho anatema tamin’ny lelan-tsabatra avokoa izay rehetra tao amin’ny tanàna, na lahy na vavy, na tanora na antitra, ary na dia hatramin’ny omby aman’ondry sy ny ampondra aza.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary naringany tamin’ny sabatra avokoa ny mponina rehetra tao na lehilahy na vehivavy na antitra na tanora, mbamin’ny omby sy ny ondry aman’osy ary ny boriky.
Malagasy Bible 1865
Ary naringany tamin'ny lelan-tsabatra izay rehetra tao an-tanana, na lehilahy na vehivavy, na tanora na antitra, na omby, na ondry aman'osy, na boriky.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nataony toy ny zavatra voaozona tamin’ny lelan-tsabatra izay rehetra tao an-tanàna, na lehilahy na vehivavy na tanora na antitra na omby na ondry aman’osy na boriky.
malagasy
Ary naringany tamin'ny lelan-tsabatra izay rehetra tao an-tanana, na lehilahy na vehivavy, na tanora na antitra, na omby, na ondry aman'osy, na boriky. [Heb. nataony herema]