Joshua 6:23 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nandeha ireo zatovo nisafo tany ireo ka nitondra an’i Rahaba nivoaka avy tao niaraka tamin’ny ray aman-dreniny sy ny anadahiny ary ny havany rehetra mbamin’izay mety ho azy; dia nitondra ny ankohonany rehetra nivoaka avy tao izy; ka nametraka azy teo ivelan’ny tobin’ny Israely.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia niditra ireo zatovo ireo mpisafo tany, ka nentiny nivoaka i Rahaba sy ny ray aman-dreniny ary ny anadahiny mbamin’izay rehetra azy; nentiny nivoaka ny olona rehetra amin’ny fianakaviany, dia nataony any ivelan’ny tobin’i Israely.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nandeha tany izy roa lahy ka namoaka an’i Rahaba sy ny ray aman-dreniny ary ny mpiray tampo aminy sy ireo havany sisa rehetra; ary toerana azo antoka teo ivelan’ilay tobin’ny Israelita no nametrahany azy.
Malagasy Bible 1865
Dia nankao ireo zatovo nisafo ireo ka nitondra an-dRahaba nivoaka sy ny rainy aman-dreniny sy ny anadahiny ary ny havany rehetra mbamin'izay nety ho azy; dia nitondra ny mpianakaviny rehetra nivoaka izy ka nametraka azy teo ivelan'ny tobin'ny Isiraely.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nandeha ireo zatovo nisafo tany ireo ka nitondra an’i Rahaba nivoaka avy tao niaraka tamin’ny ray aman-dreniny sy ny anadahiny ary ny havany rehetra mbamin’izay mety ho azy; dia nitondra ny ankohonany rehetra nivoaka avy tao izy; ka nametraka azy teo ivelan’ny tobin’ny Israely.
malagasy