Joshua 6:24 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ny tanàna sy izay rehetra tao dia nodorany tamin’ny afo nefa ny volafotsy sy ny volamena ary ny fanaka varahina sy vy dia nataony tao amin’ny trano fitahirizana ao amin’ny tranon’NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nodoran’ny zanak’i Israely ny tanàna mbamin’izay rehetra tao aminy, afa-tsy ny volafotsy amam-bolamena, mbamin’ny fanaka rehetra varahina sy vy, izay napetrany ao amin’ny rakitry ny tranon’i Iaveh.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Vita izay, dia nodorana tamin’ny afo ny tanàna mbamin’izay rehetra tao aminy, afa-tsy ny volafotsy sy volamena ary ny fanaka halimo sy vy izay napetraka ho rakitra tao an- tranon’ny TOMPO.
Malagasy Bible 1865
Ary ny tanàna sy izay rehetra tao dia nodorany tamin'ny afo, nefa ny volafotsy sy ny volamena ary ny fanaka varahina sy vy dia nataony tao amin'ny rakitry ny tranon'i Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ny tanàna sy izay rehetra tao dia nodorany tamin’ny afo nefa ny volafotsy sy ny volamena ary ny fanaka varahina sy vy dia nataony tao amin’ny trano fitahirizana ao amin’ny tranon’NY TOMPO.
malagasy
Ary ny tanàna sy izay rehetra tao dia nodorany tamin'ny afo, nefa ny volafotsy sy ny volamena ary ny fanaka varahina sy vy dia nataony tao amin'ny rakitry ny tranon'i Jehovah.