Joshua 6:25 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa Rahaba janga sy ny ankohonan’ny rainy sy ny havany rehetra mbamin’izay mety ho azy dia novelomin’i Josoa, ary mitoetra eo amin’ny Israely mandraka androany Ravehivavy satria nanafina ny iraka izay efa nirahin’i Josoa hisafo tany tao Jeriko izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Novelomin’i Jôsoe i Rahaba janga, sy ny ankohonan-drainy mbamin’izay rehetra azy, ka mitoetra eo amin’i Israely mandraka androany izy, noho izy nanafina ny iraka nirahin’i Jôsoe hisafo an’i Jerikô.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa i Rahaba mpivaro-tena mbamin’ny fianakaviany manontolo kosa dia novelomin’i Josoa noho ny nanafenan-dravehivavy an’ireo mpitsikilo izay nalefany tany Jerikao. Nonina teo anivon’ny Israelita i Rahaba ary mbola ao mandraka androany ny taranany.
Malagasy Bible 1865
Fa Rahaba janga sy ny ankohonan'ny rainy sy ny havany rehetra mbamin'izay nety ho azy dia novelomin'i Josoa, ary mitoetra eo amin'ny Isiraely mandraka androany ravehivavy, satria nanafina ny iraka izay efa nirahin'i Josoa hisafo an'i Jeriko izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa Rahaba janga sy ny ankohonan’ny rainy sy ny havany rehetra mbamin’izay mety ho azy dia novelomin’i Josoa, ary mitoetra eo amin’ny Israely mandraka androany Ravehivavy satria nanafina ny iraka izay efa nirahin’i Josoa hisafo tany tao Jeriko izy.
malagasy