Joshua 6:26 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nianiana i Josoa tamin’izany andro izany hoe: Ho voaozona eo anatrehan’NY TOMPO izay olona mitsangana manorina ity tanàna Jeriko ity indray; ny ain’ny lahimatoany no ho sazin’ny hanorenany ny fanambaniny, ary ny ain’ny faralahiny no ho sazin’ny hananganany ny vavahadiny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tamin’izany andro izany i Jôsoe nianiana nanao hoe: «Ho voaozona eo anatrehan’i Iaveh izay olona hitsangana hanorina indray ity tanànan’i Jerikô ity; ny lahimatoany no hanefany ny sazin’ny hanorenany ny fotony, ary ny faralahiny no hanefany ny sazin’ny hananganany ny vavahadiny.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’izany fotoana izany koa dia nanambara izao fampitandremana momba an’i Jerikao izao i Josoa nanao hoe: «Ho voaozona eo anatrehan’ny TOMPO anie izay olona mitsangana hanamboatra an’ity tanàna ity ka ny ain’ny lahimatoany no ho sandan’ny hanorenany ny fototra ary ny ain’ny faralahiny no ho sandan’ny hananganany ny vavahady!»
Malagasy Bible 1865
Dia nilaza fanozonana Josoa tamin'izany andro izany ka nanao hoe: Ho voaozona eo anatrehan'i Jehovah izay olona mitsangana manorina ity tanàna Jeriko ity indray; ny ain'ny lahimatoany no ho sazin'ny hanorenany ny fanambaniny, ary ny ain'ny faralahiny no ho sazin'ny hananganany ny vavahadiny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nianiana i Josoa tamin’izany andro izany hoe: Ho voaozona eo anatrehan’NY TOMPO izay olona mitsangana manorina ity tanàna Jeriko ity indray; ny ain’ny lahimatoany no ho sazin’ny hanorenany ny fanambaniny, ary ny ain’ny faralahiny no ho sazin’ny hananganany ny vavahadiny.
malagasy
Dia nilaza fanozonana Josoa tamin'izany andro izany ka nanao hoe: Ho voaozona eo anatrehan'i Jehovah izay olona mitsangana manorina ity tanàna Jeriko ity indray; ny ain'ny lahimatoany no ho sazin'ny hanorenany ny fanambaniny, ary ny ain'ny faralahiny no ho sazin'ny hananganany ny vavahadiny.Ary Jehovah nomba an'i Josoa, ka niely tamin'ny tany rehetra ny lazany.